Fanakorontanana saim-bahoaka sa tena halatr’olona tsotra izao, fa tranga telo no niseho tao Toamasina tao anatin’ny herinandro. Tranga voalohany dia tovolahy 14 taona, mpianatra kilasy 2nd ao amin’ny lycée II ao Tsarakofafa Toamasina II, izay nisy naka an-keriny tamin’ny lalam-pirenena faha-02 ny 19 janoary
teo raha iny izy hody hariva iny. Tafaporitsaka tao anatin’ny fiara 4x4 nanondranan’ireo mpaka an-keriny azy tao Ranomafana lalam-pirenena faha-2 anefa ity tovolahy ity ny alakamisy 21 janoary teo. Araka ny fitantarany dia nampisakafaonan’ireo efa-dahy nisambotra azy tao anaty fiara izy ka notapenana ny masony sy ny vavany ary nofatorana rehefa tapitra ny sakafony. Toarian’izay dia lasa nisakafo tao Ranomafana ireo efa-dahy nisambotra azy ary teo izy no nanararaotra nitsoaka ka niafina tao anaty ala ny alina tontolo ary ny maraina izy vao nanakana fiara nandalo nitondra azy tao Toamasina. Ny tranga faharoa dia mbola tovolahy 14 taona mpianatra kilasy faha-5 ao amin’ny CEG Ratsimilaho. Tsy hita popoka nanomboka ny 24 janoary teo izy raha niala tao an-tranony nandeha hianatra katesizy. Ny tranga fahatelo kosa dia tovovavy mpampanofa tena eo amin’ny 25 taona eo, izay mpijorojoro eny amoron-dranomasina sy manodidina ny araben’ny fahaleovantena. Nanomboka ny 22 janoary teo dia tsy hitan’ny havany sy ny namany ary tsy azo amin’ny finday intsony ity tovovavy ity. Atao inona izy ireo ? Misokatra ny fanadihadiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.