Valalanina ny rehetra ankehitriny ao Toamasina mahita ny fifanasana vangy eo amin’ireo samy mpitsara,
izay mbola am-perinasa sy ireo efa misotro ronono, noho ny zava-misy amin’ny fiantsoana mpanao gazety sy fanomezan-kevitra samy hafa mikasika ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie, izay mahavoarohirohy mpitsara tonia mpampanoa lalàna lefitra eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina.
Ho an’Atoa Randriamantena Jules, mpitsara misotro ronono dia « tsy fahendrena sy fahamarinana intsony no misy eo anivon’ny fitsarana malagasy ankehitriny, fa resaka tombontsoa sy resa-bola avokoa no miasa, hany ka very ny marina. Koa rariny raha nandray ireny fepetra ireny ny fiadidian’ny filoham-pirenena mba tsy hisian’izany marina ho very izany, dia izy iarahantsika mahita io ny vokany ». Ho an’ity mpitsara efa misotro ronono ity, izay tsy tongatonga ho azy ny fanehoan-keviny niantsoany mpanao gazety, dia « tsy zanahary akory ireo olona voafidy ho eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara, ka izay teniny sy baiko avoakany dia tsy maintsy hotanterahina, satria tsy mpiasan’ny CSM ny mpitsara eo ambany fiadidiany fa mpiara-miasa aminy ». Tezitra tamin’izao fanambarana izao anefa ireo mpitsara mbola am-perinasa ka nampiakatra ny feony koa no nampiantso ity mpitsara efa misotro ronono ity ny alakamisy alina teo, ka nisian’ny fihaonana teo amin’izy ireo teo anivon’ny lapan’ny fitsarana ambony. Nandritra izay dia raikitra ny fifandrahonana sy ny fifanebahana ary ny fifanasana vangy teo amin’izy ireo, nefa matoa misy ny tahaka izao dia misy toe-javatra « hafahafa » eo anivon’ny samy mpitsara sy ny minisiteran’ny fitsarana. Ho an’ireo mpitsara mbola am-perinasa niaro ny namany, dia « matoa toy izao ny fitsarana malagasy taorian’ny fahaleovantena, dia ny nataonareo zoky be no nivily lalana sy tsy nanaraka ny lalàna misy, ka lasa nampiana-dratsy ny zandry aty aoriana. Koa matoa lavo ny mpitsara aty aorianareo dia ianareo no malama nametraka fahazaran-dratsy ». Nifarana tamin’ny resaka fampisehoana hery sy tanjaka ary fahefana moa ny fihaonana tamin’ity raharaha ity, fa resaky samy mpahay lalàna no misy ary samy tsy milefitra amin’ny teny navoakany ny tsirairay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.