Raha ny voasoratra eo anivon’ny rejisitry ny fonjaben’i Toamasina, dia tokony hisazy 15 taona ao Ambalatavoahangy Rajao Fenoarinaivo na “Lejo” na “Massaro”,
tamin’izao nikarohana azy noho ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie tao Toamasina izao, ka nahasamborana azy tany Farafangana ny faran’ny herinandro teo. Raha ny angom-baovao dia fangatahana “Main d’Oeuvre Penale” (MOP) ara-dalàna nataon’ny fitsarana tao Toamasina izay vita sonia sy neken’ny fitsarana nampiasa azy no nivoahany ny fonja, izay nampanaovin’ny teo anivon’ny fitsarana irakiraka sy mpamily fiara. Fantatra anefa fa 15 taona sazy navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava tao Toamasina no manasazy azy, noho ny fanafihany ny volan’ilay orinasa mpitrandraka harena ambanin’ny tao ao Tsararivotra, izay nahaverezana vola manodidina ny 500 tapitrisa ariary. Ny 27 aprily 2011 no nidirany ny fonja, ary ny 11 jona 2013 no nahazoany nanao io MOP teo anivon’ny fitsarana Toamasina io. Taorian’ny nahalalan’ny fitsarana nampiasa azy fa tafiditra tao anatin’ny tambajotra mpanao fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie izy, dia namoahan’ny fitsarana tatitra fitsoahana ny 19 desambra ny taona lasa teo anivon’ny lehiben’ny fonja Toamasina, raha ny 23 novambra 2015 no nanaovan’izy ireo sy ny ekipany ilay fakana an-keriny azy mianadahy teo ambony tetezan’ny Verrerie. Ny karo-baovao no nahalalana fa i Lejo no nitondra ilay fiara Mitsubishi nisy azy mianadahy nandritra ny fakana an-keriny azy ireo. Nafenina tao Andranomadio izy mianadahy, ilay fiara kosa natao tao an-tranon’ity mpiraki-draharaha efa misotro ronono miandry fitsarana am-ponja ankehitriny. Io angom-baovao io ihany koa no nahafantarana fa ireo bala 119 sy ireo basy kalaky 4 tratra nandritra ny fanafahana an’i Arnaud tao Andranomadio, dia nivoaka avy tamina lapam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa ireo laharan’ny bala 61/97 – 86/15 – 534/74 – 539/74 – 85/15 – 270/76 ary 71/78 sy basy no nahalalana izany.Ho hita eo moa ny fitohizan’ny fanadihadiana mba hivoahan’ny marina rehetra momba ity raharaha ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.