Actualités

«Kidnapping» Nidoboka eny Tsiafahy ny naka ny deban’ny CONFORAMA


  • Alatsinainy 28 Septambra 2015

Ravan’ny zandary ny tambajotrana mpanao fakana an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Niainga tamin’ny fahatraran’ny Borigadin’ny ny zandarimaria Fenoarivo olona roa mpanao fanafihana mitam-piadiana tamin’ny 26 martsa 2015 ny raharaha. Tratra ambodiomby niaraka tamin’izy ireo ny basy PA 9mm roa.

 


Rehefa natao ny famotorana dia mbola nanonona ny namany roalahy izy ireo.

Nanao fikarohana ireto farany ny mpitandro ny filaminana izay nifarimbonan’ny avy tao amin’ny zandary avy amin’ny Borigadin’i Fenoarivo, Borigady sy Kaompanian’ny zandary Tana ville ary ny “Brigade criminelle” polisy etsy Anosy ka ny alakamisy 24 septambra dia tratra teny Alakamisy Ambohidratrimo ny iray tamin’ireo jiolahy nokarohina ary teo Anosy kosa no nisamborana ny namany ny androtr’io ihany.

Heloka maromaro no iampangana azy roalahy vao nosamborina ireto dia fanafihana mitam-piadiana izay niseho ny 15 sy 26 martsa 2015 teny Alakamisy Fenoarivo sy Tanjombato izay nandratrana olona roa miampy fivarotana sy famatsiana ary fitazonana basy tsy ara-dalàna sy tsy nahazoana alalana. Fantatra tao anatin’ny famotorana ihany koa fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny ilay karana tompon’ny CONFORAMA etsy Tsaralalàna ny iray.

Natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy izy ireo ny 25 septambra teo. Nivoaka ny didy savaranonando, nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy roalahy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT