Tovolahy iray, zanaka teratany karana antsoina hoe : Firoze Nourbhay,16 taona , no nisy naka an-keriny omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany raha handeha haka bus scolaire hamonjy ny fianarany eny amin’ny lycée Français Ambatobe.
Teo am-piakarana tao anaty fiara mihitsy izy no nisy nisambotra ka tsy nahazo vaovao momba azy intsony ireo ray aman-dreniny. Tohina noho io trangan-javatra io ny CFOIM na ny « Collectif des Français d’Origine Indienne à Madagascar » ka namoaka fanambarana fa manohitra amin’ny heriny tanteraka izao fakana an-keriny izao. Miharatsy ny fandriampahalemana eto ary ny fivondronanay mihitsy no tena voakasika, hoy izy ireo. Vao afak’omaly no nisy naman’izy ireo maty tany Toamasina. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny governemanta Malagasy sy fikambanambe iraisam-pirenena izy ireo hampitsahatra haingana ity fakana an-keriny sy famonoana teratany vahiny eto amintsika ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.