Mivoatra ny vaovao manodidina ilay tranga fanafihana mitam-piadidiana sy fakana an-keriny nitranga teny Ankazotokana-Ambanidia, ny zoma 21 oktobra 2016.
Fantatra izao fa miaramila am-perinasa ireo nanafika ary mpikambana anaty vondrona mpiaro Lapam-panjakana iray eto an-drenivohitra. Maty voatifitra nandritra ny fifanenjehana ny iray tamin’izy ireo, azo sambobelona kosa ny telo. Nampidirina am-ponja vonjimaika moa ireto farany amin’izao. Teratany Sinoa nitondra vola no nokendren’ireo jiolahy ireo. Nanomboka teo Ankazotokana ny fifanenjehana ary teny Androndrakely izany vao nifarana, tamin’ny fahatrarana azy telo lahy ireo. Tsy misy atao sa tsy ampy fanaraha-maso sa efa niova mihitsy ny toe-tsain’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ? Mbola mandry ve ny sain’ny mpitondra manoloana ny tranga toy itony ? Mbola tsaroan’ny maro ny zava-nanjo ilay lehilahy iray, 47 taona, mpandraharaha zanak’Imady-Ambositra, mila ravinahitra any Tsaratanana. Maty notafihin’ny polisy tetsy Ankasina izy tamin’ny volana mey 2012. Rava hatramin’ny GIR (Groupement d’Intervention Rapide) taorian’io tranga io. Nanao ny nataony, nandravarava ihany koa ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) tamin’ny tetezamita. Ampahany ihany ireo fa hatramina mpiandry fonja tafiditra anatina fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpaka an-keriny toy ny niseho tao Toamasina tamin’ny novambra 2015, ka nahafaty zazavavikely iray ary nitazonana an-keriny nandritra ny fotoana naharitra tovolahy kely tsy ampy taona, ary mbola mpianatra. Iza ihany izany no hantsoina raha ny natao hiaro indray no mandroba ? Mandoto ny vondron-tafika ny tranga toy itony, izay tsy in-dray mandeha no isehoany fa matetika indrindra taorian’iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny ary tsy voafehy hatramin’izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.