Actualités

Kidnapping etsy sy eroa Manaratsy endrika an’i Madagasikara


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Avotra i Shane Kourdjee ilay mpandraharaha karana nisy naka an-keriny tany Antsirabe saingy ny talata alina ihany anefa dia nisy naka indray i Zahid Asgaraly, rahalahin’i Galib Asgaraly izay tompon’ny tranombarotra quincaillerie 2000 etsy Andravoahangy.

 

 Vaovao ratsy mampitsangam-bolo tsy ho an’ireo mpanambola ihany fa ho an’ny fiarahamonina manontolo mihitsy. Manontany tena ny tsirairay hoe fa inona indray no mampirongatra tampoka ny fakana an-keriny teratany karana toy izao ? Misy idiran’ny maha teratany frantsay azy ireo ve ka misy olona any ho any te hanome endrika ratsy ny fanjakana malagasy amin’izao handraisana ny fivoriamben’ny frankofonia izao ? Sa dia noho izy ireo manambola fotsiny ka mahasarika ny olon-dratsy ? Ny mpitondra fanjakana ambony tsy mbola nisy naneho hevitra aloha hatreto na dia natao fanamby sy nilokalokana ny hoe governemanta hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsy atao mahagaga mihitsy araka izany handefasan’ny Frantsay sampam-pitsikilovana sy manampahaizana manokana amin’ny ady amin’ny asa fampiorohoroana eto amintsika mialoha ny fivorian’ny Frankôfônia satria tany tsy milamina eto. Manampy izay dia efa re ihany koa fa ho avy eto ny Israelianina hiandraikitra manokana ny filaminana amin’io fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia io. Toa manaporofo izany rehetra izany fa tsy atokisana i Madagasikara sady tsy mahavita mandeha irery fa tsy maintsy ampiana ny mpitandro filaminana eto. Raha ny hevitry ny manamboninahitra jeneraly zandary am-perinasa iray dia  fanararaotana ny fanovana tompon’andraikitra ambony isan-tokony amin’ny fiovan’ny governemanta no mety ho fototr’izao firongatry ny fakàna an-keriny izao. 

 


 

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT