Actualités

Kidnapping any Toamasina Ho votsotra amin’ity herinandro ity i Arnaud ?


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Novalian’ireo mpaka an-keriny an-janany ny antson’ny renin’i Arnaud talohan’ny 31 desambra teo iny, mba ny hamotsorana an-janany sy ny hifampiresahana mikasika ny fandoavana ny vola takian’ireo mpaka an-keriny azy amin’izay vola hany misy eo am-pelan-tanany.

 

 Araka ireo loharanom-baovao marim-pototra voaray, dia mieritreritra ny hamotsotra an’i Arnaud amin’ity herinandro ity ireo andian’olona mihazona an-keriny azy. Midika izany fa mitombona avokoa ny eritreritry ny olona hatrizay fa resa-bola be sy resa-trosa no tena ambadik’ izao raharaha izao, saingy ity tovolahy tsy manan-tsiny tsy mahalala na inona na inona no niaina sy nisedra ny mafy tsy fidiny ny vokany. Ao anatin’izao eritreritra hamotsorana an’i Arnaud anefa, dia mandrahona ny hamono ireo fianakaviany rehetra ireto andian-jiolahy mpanao fakana an-keriny ireto. Tsy izy ireo ihany no niharan’ilay fandrahonana haringana, fa hatramin’ireo mpitandro ny filaminana nafaran’ny rainy manokana avy eto Antananarivo hikaroka an-janany sy hisambotra ireo andian-jiolahy ihany koa.Ao anatin’izay anefa dia mitaraina ihany koa ireo mpitsara fa hiharan’ny antsonjay amin’ny fisavana trano momba izao raharaha Arnaud izao, izay tsy misy hidiran’izy ireo akory anefa, raha nyfilazan’izy ireo. Nisy noho izany ny fivoriana maika nataon’izy ireo tao amin’ny efitrano fivorian’ny fitsarana ambony, nandinihana ny raharaha izay miteraka fahafaham-baraka ho azy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina. Niatrika izany avokoa ireo mpitsara rehetra avy eo anivon’ny fitsarana ambony sy ny fitsarana ambaratonga voalohany; satria araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa niisa dimy eo ny tranona mpitsara nosavaina nikarohana sy nitadiavan’ny Gsis an’i Arnaud. Ny vaovao hatrany anefa no nahalalana fa izay faritra voalazan’ny famantarana manokana mandritra ny fiantsoan’ireo jiolahy ny ray aman-drenin’ity tovolahy ity ka mampiahiahy, dia tafiditra amin’ny fisavana avokoa izay didy fisavana trano mivoaka avy eo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana Toamasina ihany.

 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT