Actualités

“Kidnapping” an’i Arnaud sy Annie Misy gadra ao Tsiafahy


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Namoaka ho fanta-bahoaka ny lisitr’ireo olona heverina ho atidoha nikotrika iny fakana an-keriny azy mianadahy Arnaud sy Annie tamin’ny 23 novambra 2015, ny tonia mpampanoa lalŕna ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina misahana ny raharaha.

 
Miisa dimy ireo atao hazalambo (WANTED), saingy efa voasambotra tao Barikadimy ny harivan’ny sabotsy teo, Randrianjaka Marcellin, 37 taona. Teraka tany Andapa ity farany, nandraharaha tao Antalaha dia izao nifindra monina ao Toamasina izao manao asa fakana an-keriny. Mbola miisa efatra ireo mbola ifampitadiavana, dia Ramasy Mickael Georvellien, 37 taona, izay heverina fa nitondra ilay fiara Mitsubishi nitsoaka niaraka tamin’izy mianadahy tao anatiny. I Boto Fredo na Fredo sy Rajao Fenoarinaivo na Lejo sy Massaro na koa Ramasa, ary Freddy izay raha ny tokony ho izy dia mifonja mandra-maty ao Tsiafahy noho ny resaka fakana an-keriny ihany.

 

Tsy hilefitra

 

Mandeha ihany koa ny resaka ankehitriny izay voaporofon’ny fanazavan’ny rain’i Arnaud, fa misy mpanolotsaina manokana filohana andrimpanjaka miray tendro amin’ireo mpaka an-keriny ireo. Mety izay koa izany no tsy ivoahan’ilay lisitry ny mpaka an-keriny nataon’ny frantsay ka nahavoa ny terataniny sy ireo mizaka ny zom-pireneny teto Madagasikara. Na izany aza, efa misy lisitra finday 50 pejy avy amin’ireo orinasam-pifandraisana miisa telo mandeha any izao. Izay no ilazana fa tena tambajotra goavana ity fakana an-keriny ity, ary mifandray avokoa ireo tranga niisa 15 be izao niseho tamin’ity taona 2015.

 

Ankoatra izay, saika ny rain’i Arnaud no nalaina an-keriny, saingy tsy teto an-tanindrazana ny tenany tamin’ny fanomanana ny tetika fa namonjy Fitsarana tany ivelany mikasika ny andramenany. Sambava – Antananarivo – Toamasina izay toerana fivezivezeny no efa nanomanana ny fikasana hisamborana azy. Tsy tanteraka anefa ilay izy ka izao niova tamin-janany izao. Nambarany fa tsy hilefitra amin’ny fangataham-bola ho takalon’ny ain-janany izy. Tsy azo ekena izany olona mivelona amin’ny vidin’ny ain’olona izany, ary tsy maintsy fongorina io tambajotra io. Marina fa manao sorona an-janako aho, nefa ny zava-dehibe dia ny hamantarana ireo atidoha rehetra ao ambadik’izao fakana an-keriny izao», hoy ny rain’i Arnaud.

Ny sabotsy teo, dia olona miisa valo no natao fanadihadiana eo anivon’ny Fitsarana, izay voalaza fa mifaningotra amin’ity tambazotra fakana an-keriny ity. Nahazo famonjana vonjy maika ny enina tamin’ireo, isan’izany ireo polisy roalahy nambara fa mpiray tendro.

 

Rakoutou

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT