Niantso mpanao gazety ny teo anivon’ny tale provinsialin’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina omaly, izay notarihan’ny Jly polisy Lie niaraka tamin’ireo lehiben’ireo sampana samy hafa nahitana ny vokatra nanafahana an’i Arnaud tao Andranomadio ny alatsinainy hariva teo.
Nomarihan’ireto polisy fa tranon’olon-tsotra no nahatraran’izy ireo an’i Arnaud, nambenana jiolahy antsoina hoe Rakoto Leonce izay niezaka nitsoaka nefa voatifitra ka maty ny alatsinainy alina tamin’ny 11ora alina. Nandritra izay dia fitaovam-piadiana maro be no sarona nahitana balana kalaky izay mitondra ny laharana 61/97 – 86/14 – 534/74 – 539/74 – 85/15 – 270/76 ary ny 71/78 ny ankamaroan’izy ireo, teo koa ireo kalaky 4 izay samy hafa avokoa ny laharana amin’ireo basy noho izy ireo natambatambatra sy notapahana ny lohany sy ny vodiny. Teo koa ilay grenady iray ary vovoka manempotra sy mandatsa-dranomaso milanja antsasa-kilao eo ho eo. Fantatra fa tsy misy mampiasa ireo fitaovana rehetra ireo raha tsy ny Mpitandro ny filaminana. Tokony ho mora ny fanaraha-maso izay nivoahany, nefa aoka tsy atao hoe nivoaka tamin’ny krizy indray izy ireo, hoy Atoa Rajaona Thierry tonia mpampanoa lalàna. Efa misy valo ihany koa voasambotra izao ka teo ireo tompon-trano sy ny vadiny ary ny zanany, teo ihany koa ireo olona hafa mifaningotra amin’ity raharaha ity tratra tao anatin’ny fefin’ilay tokotany. Efa mandeha ny fanadihadiana azy ireo izao, ka betsaka koa ny vaovao voangon’ny polisy. Fantatra fa mahatratra 30 eo ireo andian-jiolahy mifamezivezy tao amin’ity trano ity nandritra ny fitazonana an’i Arnaud tao. Fantatra fa taorian’ny fahatrarana ilay trano nanafanenana ilay fiara Mitsubishi sy fotoana namonoana an’i Annie dia efa tao amin’ity trano ity no nogejaina izy. Polisy 18 no niasa nanafaka an’i Arnaud tamin’izao hetsika izao. Tratra tamin’io alatsinainy io ihany tany Mahambo fa voasambotra i Mainty Olivier na Rapa na i Vendredi, izay anisan’ny nandray anjara feno tamin’ity fakana an-keriny ity. Re koa izao fa nitsoatsoaka niala tanàna ireto jiolahy ireto ka efa nisy ny tonga any Ste Marie.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.