Actualités

Kidnapping an’i Annie sy Arnaud Mifampiaro ny samy mpitsara ?


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Ho an’ny tonia mpampanoa lalŕna kosa, Atoa Rajaona Thierry, dia ny fitsikerana ny mpanao gazety no nanombohany ny resany.

 

 

 “Tsy misy izany mpitsara tafiditra amin’izao raharaha izao izany, tsy misy koa izany tranona mpitsara nahatrarana an’i Arnaud izany, tsy misy ihany koa izany fisavana tranona mpitsara izany, ary tsy tafiditra amin’izao raharaha izao ny mpitsara Jackie, koa aoka hilamina hatreo ny momba izany satria tsy mpitahiry jiolahy ny fitsarana ary tsy jiolahy ny mpitsara eto Toamasina”, hoy Atoa Rajaona Thierry tamin’ny teny hentitra. Asa moa raha efa vita tsara ny fanadihadiana rehetra matoa miteny tahaka izany ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina fa raha ny fahatsapan’ny rehetra azy aloha dia toa mifampiaro izany ny samy mpitsara. Nambarany anefa fa tena mifaningotra amin’ity raharaha ity ingahy Freddy na mbola mifonja ao Tsiafahy aza, satria voaray avokoa ny resaka nifanaovany tamin’ingahy Borille Jean mpandraharaha ny fonja ao Toamasina nifandray tamin’ny mpaka an-keriny tamin’ny fitakiana ny vola. Toraka izany koa ny an’ireo tompon-trano nahatrarana an’i Arnaud tao Andranomadio 11/41 nahitana an-dRazafindrafara Honorine tompon-trano sy ny vadiny Sanimohy ary ny zanany Razafindrafara Sylvia mpanatitra ny sakafon’i Arnaud nandritra izao fihazonana azy izao. Mitohy ny fanadihadiana rehetra, mitohy ihany koa ny fitadiavana ireo mpiray tendro tamin’izao raharaha izao, hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina. Nolazainy kosa fa tsy hisy izany ireo hahazo fahafahana vonjimaika amin’izao raharaha izao na dia hangataka aza.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT