Actualités

Kianja filalaovam-baolina etsy Anosizato Efa lafo ihany koa ?


  • Talata 09 Febroary 2016

Nandeha ny feo nanomboka ny faran’ny herinandro teo fa efa lafo ihany koa ny kianja filalaovam-baolina etsy Anosizato,

 toerana efa nohajarian’ireo mpanao fanatanjahantena ao an-toerana am-polony taona maro talohan’ny nandraisan’i Neny Lalao Ravalomanana ny fahefana. Ny fikambanana HAFARI Malagasy no tondroin’ny sasany ho mpiray tsikombakomba amin’izany. Nambaran’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly fa ny kianja filalaovam-baolina etsy Anosizato dia an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra koa tsy ny fikambanana tarihiny velively no hivarotra azy. Ankoatra izay dia ny foiben’ny fananan-tany etsy Anosy no tena manana valin-teny mifandraika amin’izany, hoy izy. Notsindriany manokana fa misy andian’olona miezaka mamotika sy  manaratsy ny fikambanana tarihiny ankehitriny saingy tsy hahapotika ny tetikasa tontosainy velively izany toy ny tetikasa fifindra-monina tanterahiny eny Soaniedanana… Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fanelezana trakta eny Anosimahavelona mikasika ny fakan’ny orinasa Filatex ny tany eny amin’ny manodidina mba hahamaimbo ra ny mponina. Mbola ny fikambanana HAFARI ihany koa no henjehina amin’izany, raharaha izay tadiavin’ny sasany avadika ho fanonganam-panjakana saingy tsy hahatafiditra ny fikambanana HAFARI anaty vovo mihitsy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT