Actualités

Kerôzena, gazoala, lasantsy Manana tahiry 11 andro Antananarivo


  • Zoma 25 Novambra 2016

Miakatra ny filana solika amin’izao herinandro ampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony ny Frankôfonia andiany faha-16 izao,

noho ny hamaroan’ny fiaramanidina sy ny fiarakodia mifamezivezy mitatitra ireo delegasiona maherin’ny telo arivo, mandray anjara amin’io fihaonambe io. Tsy vitsy amin’ireny fiaramanidina ireny no hampiditra kerôzena (refueling) eto Madagasikara mialoha ny hialany eto indray. Efa nivonona ny amin’izany ny eto an-toerana. Araka ny antontanisa avy ao amin’ny “Office Malgache des Hydrocarbures” omaly, dia manana tahirina kerôzena 11 andro miohatra amin’ny fanjifana mahazatra, ny eto Antananarivo, izay eny Ivato moa no misy ny toby ary tantanin’ny orinasa Total. Mitovy amin’izay ihany koa ny tahiry ao amin’ny Terminal Pétrolier Toamasina. Mitohy tsy ankiato 24 amin’ny 24 ora ny fitaterana solika ataon’ireo fiarabe avy any Toamasina miakatra eto Antananarivo. Nisy ny fepetra manokana noraisina mba hahafahan’izy ireo mandeha alina hiantohana ny famatsiana solika eto an-drenivohitra. Ho an’ny tarihin’ny gazoala indray dia manana 12 andro ny eto Antananarivo, izay misy toby roa dia Alarobia sy Soanierana, ary 10 andro ny lasantsy. Ankoatra izay dia amin’ny 27 novambra 2016 no higadona ao Toamasina ny sambo mpitondra solika manaraka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT