Actualités

Kere i Bekily 100 mahery no efa maty


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Voan-draketa no ifandrombahana vao maraina ao Bekily atao solon-tsakafo. Efa tafiakatra 100 mahery ny olona maty ao amin’ny kaominina 19 mandrafitra ny distrika vokatry ny hanoanana, 3 300 nifindra monina ivelan’ny faritra Androy fa tsy nahatanty intsony ny kere.

 

 Manampy trotraka izany dia miha mahazo vahana ihany koa ny kohadavareny. Maina tanteraka ny tany any amin’ny distrikan’i Bekily satria tsy nisy ny rotsa-korana na dia kely aza nanomboka tamin’ny oktobra ka hatramin’izao volana febroary izao. Maina tanteraka koa ny tany ka tsy afaka mamokatra intsony. Tsy misy ny rano azo sotroina na ampiasaina any an-toerana. Nisy noho izany, ny faran’ny herinandro teo ny fanampiana maika avy amin’ny fitondram-panjkana tamin’ny alalan’ny BNGRC ka vary 100 taonina, voamaina 100 taonina, menaka, akanjo, siny, rano, labozia sy entana ary fitaovana maro samihafa no nozaraina ireo mponina. Miantso hatrany ny fanampian’ny fanjakana izy ireo satria tena very fanahy mbola velona, tsy mahafantatra intsony izay tokony hataony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT