Mihamafy ny olan'ny kere any Atsimo, indrindra ny ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antaritarika mifanila amin’Ambovombe Androy, dia vidina arivo ariary ny iray siny 12 litatra amin’ny rano.
Mahatratra 6 000 ariary ny kilaon'ny mangahazo raha ny fantatra. Maro noho izany ireo mponina sisam-paty kaozatra miakatra ny tanàn-dehibe na any amin’ny renivohitry ny distrika mivarotra ny fananany mba ahafahana mividy sakafo. Misy amin’ireo ianjadian’ny kere mandeha an-tongotra telo na efatra andro vao mahita hanina harapaka. Maty eny an-dalana ireo marefo. Ireo tsy afa-manoatra kosa mijanona eo an-tanàna, ny sisa miaina amin’ny ravin-draketa atao sakafo. Vahaolana maika amin’izao, raha ny nambaran’ireo olomboafidy any an-toerana, dia ny fandatsahana orana artifisialy.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.