Nitsidika ny kaominina Maroalomainty sy Maroalompoty, distrikan’Ambovombe sy kaominina Sampona, distrikan'Amboasary Atsimo,
ary ny kaominina Faux Cap, distrikan'i Tsihombe ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy 22 febroary 2020. Nitondra fanampiana vonjimaika ho an'ireo mponina izay iharan'ny hain-tany sy tsy fahampian-tsakafo. « Tsy maintsy omena rano fisotro madio ny vahoaka ary tsy maintsy horesena ny tsy fanjarian-tsakafo », hoy izy. Hisy ny famatsian-drano maimaimpoana mandritry ny 4 volana ho an’ireo vahoaka raha toa ka novidiana vola 1500ar hatrany amin’ny 2000 ar ny iray bidon amin’izao vanim-potoana main-tany izao. Efa ho herinandro izao no nisy ny fizarana rano maimaimpoana ao amin'ireo kaominina voakasika ireo. Vahaolana lavitra ezaka hatao kosa ny fitarihan-drano amin’ny alalan’ny “pipeline” mba hahafahana manome rano fisotro madio ny vahoaka, raha ny nambaran’ny filoha. Anisan'ny fiantraikan'ny tsy fisian'ny rano ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo ka nanolotra fanampiana vonjimaika toy ny vary, menaka, siramamy, voamaina ihany koa ny filoham-pirenena. Nomena tohan'aina sy sakafo ara-pahasalamana ihany koa ireo zaza tao an-toerana ary afaka enim-bolana dia hisy indray ny fanaraha-maso ny fitomboan’ireo zaza ireo. Ankoatra izay dia nanome vola 5 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena hanatanterahana ny « vatsin’ankohonana », tohana ara-bola hotantanin’ny FID hatolotra ho an’ireo fianakaviana tena sahirana. Tena ilàna vahaolana maharitra sy mahomby ny zava-misy any Atsimo. Ny tena fahita hatramin’izay, ka hatramin’izao mantsy, dia saika mionona hatrany amin’ny fanampiana sy fizaran-javatra. Toa lasa endrika propagandy ankolaka aza indraindray.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.