Actualités

Kere any Atsimo Raikitra indray ny asa 100 andro


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Misy ny fepetra maika tsy maintsy noraisin’ny fitondram-panjakana ho famonjena sy fanampiana ireo mponina any Atsimo ianjadian’ny kere.

 

 Sakafo 500 taonina no hozaraina mandritra ny 10 andro any amin’ny faritra Androy ka ny Bngrc no miandraikitra izany. Nandefa ekipa mpizaha marary sy mpitsabo any Ambovombe, Amboasary, Tsihombe, Beloha, Bekily, Betioky ary Ampanihy ny minisiteran’ny fahasalamana. Hisy ny toeram-pandidiana apetraka ao Tsihombe ato anatin’ny telo volana. Miandraikitra ny famatsiana sy fizarana rano kosa ny minisiteran’ny rano. Hanolotra osy 1 000 ho an’ireo mpiompy any amin’ny kaominin’i Tsihombe, Marovato, Antarika, Nikoly, Beloha, Ikopy, Tanohazo, Tranoroa ny minisiteran’ny fiompiana. Hizara sakafo 40 taonina ho an’ireo mpianatra ao amin’ny DREN Ambovombe ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena andiany faharoa. Azo avy amin’ilay Tolo-tanana natao izy ity. Hiroso amin’ny fambolen-kazo toy ny acacia, moringa, varoany d’Ambovombe, Imongy sy Tranovaho ny minisiteran’ny tontolo iainana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT