Actualités

Kere any Atsimo Ny fananganana fotodrafitrasa no vahaolana


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Mbola olana goavana tsy mety voavaha hatreto ny hanohanana mianjady amin’ireo mponina any Atsimo.

 

Nambaran’ireo avara-pianarana avy any amin’iny faritra iny ahitana ny faritra Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy fa ny fananganana fotodrafitrasa any an-toerana no hahafahana manafoana ny kere. Toraka izany ihany koa ireo ny fanodinana ireo karazam-bokatra misy any an-toerana izay hahafahana manome asa ny mponina avy hatrany sady hanomezana tombony ireo mpandraharaha ihany koa. Anisan’ny notsindrian’izy ireo manokana ny fananganana ilay “zone économique spécial” any amin’ny Faritra Anosy izay nantitranterin’Andriamatoa Ndimbizandry Arison fa tena hahafahana mampandroso ny firenena iray manontolo mihitsy na dia miainga avy any atsimo aza. Vao mainka mahabetsaka ny fanantenana ny nanendren’ny filoha  an’Andriamatoa Sabany Nourdine, filohan’ny federasionan’ny tranoben’ny varotra ho lasa minisitry ny indostria izay mahalala tsara ny maharary ireo vahoaka any an-toerana koa isaorana azy lehibe. Manantena ny hisokafan’ireo  orinasa nikatona toy ny  SUCOMA ao Morondava ihany koa izy ireo. Raha araka ny fantatra mantsy dia mahatratra 1.300 amin’izao fotoana izao ireo olona tsy an’asa vokatr’izany, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Morondava.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT