Actualités

Kere any Atsimo Nizara sakafo nanomboka omaly ny AREMA


  • Talata 05 Janoary 2016

Taorian’ilay hetsika nizarana fanampiana ho an’ireo sahirana ara-pivelomana manerana ny Nosy nandritra ny fetin’ny Asaramanitra dia nitodika manokana tamin’ireo vahoaka any atsimo lasibatry ny kere indray ny antoko AREMA.

 

Nanomboka omaly izany noho ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo ateraky ny tsy fisian’ny sakafo hanina. Anisan’ny tena miaina izany ny any amin’ny Faritra Anosy sy Androy, raha araka ny nambaran’izy ireo izay ahitana mponina betsaka indrindra, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy. Fizarana  sakafo toy ny fotsim-bary sy kojakoja maro samihafa no tanterahin’ny antoko AREMA mandritra izany, haharitra herinandro mahery. Kaominina folo isaky ny faritra no mahazo izany fanampiana izany ka hosinganina manokana ireo tena sahirana. Ho an’ny fotsim-bary manokana dia fantatra fa manodidina ny 5 taonina no hozaraina izay mitentina 50 tapitrisa Ar eo ho eo. Tsy hijanona hatreo moa ny hetsika hotanterahin’ny antoko fa mbola hitohy amin’ity taona 2016 ity, indrindra fa ho an’ny reny sy ny zaza sy ireo sahirana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT