Tsy vitan’ny mpampita vaovao fotsiny fa sady mpanabe ihany koa ny mpanao gazety ka tokony hanao ny asany ao anatin’ny fanajana ny marina, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo raha niresaka momba ny sary navoakan’ny gazety mpiseho isan’andro sasany momba ny kere any atsimon’i Madagasikara
. “Sary nalaina tany Afrika ireny fa tsy tany atsimon’ny nosy. Ary taksibrosy mampitohy an’i Ambovombe sy IIakaka ihany koa iny fiara feno olona iny fa tsy olona mandositra ny kere izany”.
Miara- miasa isika, hoy ny praiminisitra tamin’ny mpanao gazety ka tokony hojerena ihany izay vaovao hitondra fampandrosoana.
Tsy nanda kosa anefa ny tenany fa misy tokoa ny olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny tsy fahampian’ny orana fa efa eo ny PAM, hoy ny praiminisitra miara-miasa amin’i Madagasikara. Eo ihany koa ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa izay manampy amin’ny alalan’ny asa atakalo sakafo na vola. Ho an’ireo fianakaviana tena sahirana dia misy ny fanohanana azy ireo ara-bola ka mety mahatratra hatrany amin’ny 8 alina ariary isan-tokatrano izany.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.