Actualités

Kere any Atsimo Latsa-dranomaso i Onitiana Realy


  • Sabotsy 20 Febroary 2016

Latsa-dranomaso ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy,

 

Onitiana Realy teo am-panombohana ny fivoriana fitadiavana ny vahaolana ho an'ny any Atsimo, atao ao Ambovombe Androy mandritra ny roa andro, omaly sy anio.

Araka ny tati-baovao hita ao amin’ny takelaka facebook an’ny Minisiteran’ny mponina dia nitalaho mafy ny Minisitra Onitiana Realy : "Miangavy antsika aho, aza lany andro amin’ny adihevitra amin’ny ‘définition’. Aza mandany andro, na iray segondra aza, amin’ny fanomezan-tsiny ny teo aloha. Mivoaka eto isika rahampitso dia tokony hitondra vahaolana hoe izao no zavatra mivaingana navoakan'ny Malagasy (...). Mangataka antsika aho, tena miangavy, efa mafy loatra ny iainan'ny vahoaka Malagasy (fahanginana nandritra ny segondra maro). Andao isika hitady vahaolana !".

Mety niteraka ny fihetseham-pon’ny minisitra Onitiana Realy ve ny tsy fahatongavan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean tamin’ity fivoriana ity ? Izy rahateo zanak’iny faritra Atsimo iny ary mahalala tsara ny fahoriana iainan’ny mponina any. Ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao no nisolotena ny governemanta tany an-toerana.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT