Actualités

Kere any Atsimo Lasa ifamaliana, tsy ahitam-bahaolana


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra. Tsy dia ny vahaolana amin’ny fiadiana amin’ny tsy fananan-kanina sy ny tsy fisian-drano no ataon’ny mpitondra fa toa lany andro miady hevitra sy matahotra ny hifanaratsy ara-politika fotsiny ka hanao fitaovana ilay teny maharary ny any atsimon’ny nosy hoe « kere » fotsiny.

 

 Na inona na inona anarana iantsoana  azy aloha valohany  indrindra dia zava-misy ary manahirana ny mponina any ny tsy fisian’ny sakafo sy ny rano ary tsy vao izao izany. Mahagaga ihany ny maheno  ny fanazavan-dramatoa Masy Goulamaly, solombavambahoakan’i Madagasikara  variana miaro mafy  ny  fanjakana fotsiny fa  toa minia  mikipy  manolona  ny  tena  zava-misy any an-toerana. Andao atao hoe  mampitombo  resaka  ny ben’ny tanànan’Anjapaly nilaza  fa misy  maty noho ny  tsy  fisian’ny sakafo any aminy. Dia inona indray no havalin-dramatoa Masy Goulamaly ny  solombavambahoaka Ijo voafidy tany Tolagnaro izay  milaza sy manamafy koa fa misy io tsy fisian’ny  sakafo io. Mandainga koa  izany  iny  raiamandreny iny ? Nanadihady  amin’ireo olom-pantatra  any an-toerana izahay dia maro  ireo  milaza fa efa  mby  an-koditra indray ny  kere. Tsy tianay  ampiasaina loatra io voambolana  io  sao  manafintohina an-dramatoa  solombavambahoaka  saingy  na hino izy na tsy  hino dia  misy io fijaliana io ary tokony hitadiavana  vahaolona maika fa tsy  faly ny hanatsatso  izay teny misintona lakolosy fotsiny. Ny sasany  izany  tsy tahotra tsy  henatra  mahasahy milaza fa ny mpanao gazety indray no mandainga  ka sary any Afrika no amitahana ny mpamaky eto  an-drenivohitra. Dia izany ve sisa  no fomba fiady  rehefa tsy mahita vahaolana ? Mialà rehefa tsy mahavita  fa aza be resaka !

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT