Ofisialy izao, araka ny fampitam-baovaon’ny filankevitry ny governemanta omaly, fa kere sy tratran’ny fahasahiranana ara-tsakafo lehibe ny distrika 7 any atsimon’ny nosy dia Amboasary,
Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily, Ampanihy ary Betioky. Olona miisa 1.138.006, izany hoe ny 80%-n’ny mponina ao amin’ireo distrika 7 ireo no voakasiky ny kere. Araka ny fanazavana dia ny tsy fahampian’ny rotsak’orana nanomboka tamin’ny 2015 niampy ny hafanana nateraky ny tsio-drivotra mafana “el nino” avy amin’ny fihafanan’ny ranomasina no nahatonga ny hain-tany ka nitarika ny kere. Miantso fanampiana iraisam-pirenena mba hamonjena ny mponina any Atsimo noho izany ny governemanta Malagasy satria vola be mitentina 69,7 tapitrisa dolara na 219 834 000 000 ariary no ilaina. Niaiky ihany izany ny farany ny fitondram-panjakana fa misy ny kere any Atsimo ary tsy vitany ny mamaha ny olana fa tsy maintsy mila vonjy eo amin’ny iraisam-pirenena. Efa tamin’ny volana desambra 2015 anefa, eny fa mialoha izany aza no nanaitra ny mpanao gazety, ny zanak’iny faritra iny sy fikambanana maro samihafa fa efa tena mamono olona ny kere any Atsimo, saingy noho ny hambo diso toerana angamba dia nanaboribory resaka fotsiny ireo manampahefana. Fampanantenana no natao, kabary be nampanantena an’izatsy sy izaroa no nataon’ny filoha Rajaonarimampianina raha tany Atsimo izy fa tsy nisy ny vahaolana haingana azo tsapain-tanana hamonjena ireo mpiray tanindrazana efa tena mijaly. Toa hafahafa ihany aloha ny hoe sady misisika hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena roa be izao isika dia ny an’ny Comesa sy ny Frankôfônia no sady miantso fanampiana iraisam-pirenena fa hoe kere ka omeo vola. Asa raha mbola mahay mametraka laharam-pahamehana ihany ny mpitondra HVM na dia tena baikon’ny fitiavana te hisehoseho fotsiny ka na atao sorona aza ny vahoaka, dia tsy mampaninona azy ireo ! Ny mampanahy ihany koa dia sao sanatria atao fitaovana hitadiavam-bola ny fahorian’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo satria efa tena tampina ny daomy amin’ny mpamatsy vola noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra sy ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.