Tanterahina ao Ambovombe Androy mandritra ny roa andro, anio sy rahampitso, ny fikaonandoha hitadiavana vahaolana maharitra momba ny kere any Atsimo. Tsy zava-baovao ny kere any atsimo, fa efa nisy hatry ny ela.
Mampametra-panontaniana ihany hoe tsy nisy vahaolana hita mihintsy ve hatramin’izay, na nisy fa tsy nampiharina ? Roa taona eo amin’ny fitondrana izao ny HVM, izao ve vao tapa-kevitra fa hijery vahaolana fa nilaozany nandany andro nilazafa tsy misy kere any atsimo.
Manana ny heviny ny mpahay toekarena Hugues Rajaonson mikasika io kere sy ny zava-mitranga any atsimo io. Tonga ny fotoana, hoy izy, hijerena ny Malagasy rehetra eran'ny Nosy n'aiza na aiza no misy azy. “Ny fanapahan-kevitra politika tokony horaisina maika dia ny fanilihana ny fanapahan-kevitra (décentralisation des décisions) ho any amin’ny fiaraha-monina any amin’ny Faritra 22 ka ao anatin'izany ny fanilihana ny andraikitra eo amin’ny fampandrosoana maharitra ny Faritra tsirairay ami’ny ara-toekarena, ara-tsosialy ... Ireo fanapahan-kevitra ireo dia manaraka ny laharam-pahamehana mazava dia ny tsy hanome laka ny fahantrana voalohany dia ny hanoanana » , hoy izy.
“Tsy havela hangataka intsony ny Malagasy fa avela hamokatra ny hanina hohaniny ary hivarotra ny ambim-bavany. Faritra mamokatra ny any Androy ary Vahoaka tsy kamo ny Tandroy. Ny resaka rano dia be dia be ny vahaolana ary tsy hilana famatsiam-bola fa atao ny lakandrano izay afaka mizara ny rano mankany Androy miala avy any Anosy na miala avy aty Atsimo Atsinana misy renirano be dia be miala any Befotaka sns. Asa tana-maro dia mahavita an'io ary tsy ilana famatsiam-bola fa ny governemanta malagasy (FID, sns) dia mahavita an'io”.
Manohy ny fanazavany ny mpahay toekarena Hugues Rajaonsona ary milaza fa “raha ny rano fisotro indray dia “pipeline” na fantsona lehibe avy any Anosy na fanadiovana ny Ranomasina izay teknika efa misy mahay manao izany eto Madagasikara no atao. Ny herin'ny masoandro sy ny rivotra no enti-mamokatra izany. Misy Malagasy koa afaka manao izany”. Fehiny, hoy izy, dia “mila manao Politikam-pirenena hamongorana ny Fahantrana no atao ary atao laharampahamehana ny any Atsimo sy Atsimo Atsinanana izay misy io kere io”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.