Lehilahy iray, teratany Kenianina no nosamborina tao amina hotely iray eny Tsaralalana, omaly antoandro.
Efa narahin’ny mpitsongodia hatrany izy io, rehefa nahazoam-baovao fa olona mampiahiahy. Mitonona ho mpandraharaha ity vahiny, nefa tsy manana anton’asa ka nipetrahan’ny ahiahy. Nosamborina avy hatrany ary nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana izy, ary omaly ihany dia nentina teny amin’ny sisintany, nandray fiaramanidina voalohany niverina any amin’ny toerana niaingany. Mora sa gaboraraka ny fidiran’ny vahiny eto Madagasikara ka sanatria ho fieren-jiolahy ? Tonga eto avokoa ireo olona tsy manan-katao avy any ivelany any, indrindra ireo mpanao trafika zava-mahadomelina. Efa malaza ratsy ho toerana ivezivezen’ny mpanao io trafika io rahateo i Madagasikara, ka ataon’ny firenen-dehibe andrimaso. Efa misy Malagasy mpitsikilo sy mpitsongodia kinga ihany koa anefa eto, ary izy ireny ho anisan’ny nahazoana izao vokatra izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.