Ela ihany izay niandrasan’ny zanak’i Dada ny fiverenany izay, fa amin’ity indray mitoraka ity vao tena ho izy !Tsy azo atao maimaika tena mila fandinihana lalina ny fodian’ity filoha teo aloha ity an-tanindrazana satria maro ihany ny tantara ratsy nitranga taty Afrika.Ka rehefa tena tsy hita izay hanapenam-bava ilay mpitondra tsy mety manaraka ny didy jadon’ny mpanjantany dia ny famonoana azy an-kolaka no atao
Tsaroana eto fa ny nahatesan’ny filoha Juvénal Habyarimana tamin’ny 6 aprily 1994 no nitarika ny adim-poko tany Rwanda.Avy namonjy fihaonana ho fandaminana ny krizy teo amin’i Rwanda sy Burundi ny filoha Habyarimana no nisy nitifitra tampoka tamin’ny rôkety ny fiaramanidina nitondra azy.Vokany 850 000 ny olona maty tany Rwanda.Misy antony ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana matoa miteny hoe mila mandinika tsara isika ary mifampitondra am-bavaka.Raha ny fomba firesany ny sabotsy teo aza no adika faran’izay tsotra dia mety efa tonga eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra izy vao hiteny hoe « tonga aho », izany hoe mety tsy hisy ny fitsenana makotrokotroka ary tsy ho fantatra dieny mialoha ny fahatongavany eto Madagasikara.Misy tokoa mantsy ireo mbola tsy maty voalavo an-kibo ka vonona hanakorontana tsotra izao, tsy izany anefa no atao sakana fa tsy maintsy misy foana ny vahaolana, ary raha ny tena marina dia efa hitan’Atoa Ravalomanana ny vahaolana amin’ny fodiana an-tanindrazana fa fandaminana faramparany sisa no ataony sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.