Raha nisy raharaha nitana ny sain’ny maro, ary nahoraka an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery dia ny olana any amin’ireo kariera fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Nisongadina tamin’ireny ny tao Anjozorobe izay voalaza fa nisy fitifirana ka nahafatesana olona iray, izay nambara fa very faty aza. Tabataba tsy nifandrenesana, fihantsiana tsy nisy toy izany ny nataon’ny havan’ny maty fa hoe very tsy hita popoka ny razana. Tampoka teo anefa dia izy ireo ihany no nanao fanambarana fa nivalona iny raharaha iny, ka tsy tompon’andraikitra amin’izay mbola mivoy an’izany. Iny eo ihany fa ny fahanginan’ny minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny harena ankibon’ny tany sy ny akoran’afo, Lala Harisaina Joeli Valérien, manoloana ireo olana samihafa eny amin’ny kariera, no mahazedana. Nidina an-dalambe ny mponina teny Soamahamanina manohitra ny fanomezan-dalana ny Sinoa hitrandraka volamena eny an-toerana. Mitabataba ny any Vavatenina fa misy fianakavian’ny filoha mitarika mpitrandraka vato sarobidy any anaty faritra arovana amin’ny tandavanala Zahamena. Mbola voatonona koa ny fianakavian’ny filoha amin’ny fitrandrahana vato “corindon” any Beparasy Moramanga sy “tourmaline” any Tanamarina Bekisopa – Ikalamavony. Ny vaovao farany re aza izao dia tonga matetika any amin’ny toeram-pitrandrahana “uranium” taloha any Vinaninkarena Antsirabe ihany koa ireto fianakavian’ny filoha ireto. Hatreto, tsy andrenesam-baovao na fanazavana mikasika ny zava-misy marina amin’ireny toeram-pitrandrahana ireny ny minisitera. Ara-dalàna sa tsia ny fitrandrahana ? Firy ny lanjan’entana efa nivoaka isaky ny toeram-pitrandrahana ? Nisy rahateo ny fe-potoana nomen’ny minisitera ireo ho an’ireo mpitrandraka hanaovan’izy ireo fanambarana ny fisiany sy ny vokatra azony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.