Niakatra eto Antananarivo ary mitaraina ireo mpitrandraka madinika noho ny afitsoky ny andian’olona milaza ho avy amin’ny fitondram-panjakana miaraka tamin’ny polim-pirenena misahana ny harena ankibon’ny tany.
Fianakaviana miisa 100 no lasibatra ary tsy avelan’izy ireo hikofoka rehefa avy nalaina sy nogiazan’izy ireo ny vato milanja 800 kilao eo ho eo. Nanantitrantitra anefa ireto solontenan’ny mpitrandraka niaraka tamin’ny mpisolovava fa manana ny fahazoan-dalana ara-dalàna ny mpandraharaha miasa amin’io kariera ao Bekisopa io ary nasehon’izy ireo mihitsy ny antontan-taratasy rehetra omaly tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy. Ireo olona nanapa-pahefana ireo anefa tsy mba nampiseho taratasy akory naka ny vato voangon’ireo mpitrandraka fa nanao an-ditra ary tsy manara-dalàna satria tamin’ny andro alina no nanatanteraka ny fombafombany. Ankoatr’izay dia milaza fa iraky ny fitondrana ary nanery hamoha ny magazay nangalana ireo vato. Ny mahagaga ihany koa dia ny zandary no nanao ny taratasy PV kanefa tokony ho ny mpiasan’ny harena ankibon’ny tany no nanatanteaka izany. Amin’izao fotoana izao aza moa dia nolazain’izy ireo fa 548 Kg monja ny vato nogiazana kanefa 800 Kg no nalain’ireo tao amin’ny magazay araka ny fanambaran’ireo mpitrandraka avy any Bekisopa ireto. Tsikaritra mihitsy tao ho ao fa efa misy andian’olona milaza ho avy amin’ny fitondrana manatanteraka izany asa izany, indrindra rehefa mahare fa misy vokatra avy amina kariera ary dia manao tsindry hazo lena ireo mpandraharaha sy mpitrandraka madinika. Miantso ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny fanjakana izy ireo satria fianakaviana maro no mivelona amin’ity kariera any Bekisopa ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.