Lainga ary diso tanteraka ny filazana fa nisy ady sy fikasihan-tanana niteraka vono sy naharatrana olona tao amin'ny vohitr'i Befitsiotsy misy kariera ao Ikalamavony, hoy ireo tompon’io kariera io.
Fanasoketana avokoa, hoy ny nambaran’izy ireo no misy ary azo ambara ho tena misy ambadika hafahafa mihitsy mba hoentina manesotra azy ireo eo amin’io toerana io. “Manana taratasy fifanarahana ara-dalàna nividianana ny kariera izahay, hoy izy ireo, sy taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny BCMM sy ny ON koa, ary manana ny patanty mazava. Olona an-jatony no mivelona amin’io kariera io ary fotodrafitrasa samihafa no efa najoro eo an-toerana hahafahan’ireo fianakaviana miaina ara-dalàna. Ny ben’ny tanàna ao no sady tia vola no tsy mahavita na inona na inona, ka mitady tetika hahazoany tombontsoa manokana. Mahavita mizara vary ho an’ny olona mihitsy izy ary manangon-tsonia hahafahana mitarika korontana ao an-toerana. Notsipihan’ny tompon’ny kariera anefa fa raha atambatra ny ora nijanonan’io ben’ny tanàna io tao amin’ny biraony hatramin’ny nahalany azy dia tsy nahafeno 24 ora akory. Ben’ny tanàna tsy mitazona ny teny sy ny toky nomeny io satria zatra mivadibadika palitao ka izao mitady hevitra hilomanosana izao indray.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.