Actualités

Karazan-tsahona eto Madagasikara Harem-pirenena ilana fiarovana matotra


  • Alatsinainy 24 Novambra 2014

Nikaon-doha momba ny fiarovana ireo karazan-tsahona misy eto Madagasikara nandritra ny dimy andro nanomboka ny 18 novambra lasa teo tao amin’ny Foibem-pikarohana ValBio any Ranomafana Ifanadiana ny mpikaroka ambony sy manampahaizana iraisam-pirenena sy malagasy am-polony maro. Nahafoy vola aman-karena ihany koa ny mpitia sahona avy amin’ny firenena sasany nanatrika izany fotoana izany.

Taorian’ny dinika sy ny fifanakalozan-kevitra dia nisy ny fandrafetana ny paikady vaovao andiany faharoa ho fiarovana ireo biby ho an’ny 5 taona ho avy fantatra amin’ny fanafohezan-teny hoe ACSAM2. Anisan’ny ho vaindohan-draharaha amin’izany ny fanabeazana ny mponina sy ny fampahafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny karazan-tsahona misy eto Madagasikara.

Harem-pirenena ilana fiarovana matotra ireo karazan-tsahona maherin’ny 500 isa misy eto Madagasikara. Ny 99,8 isan-jato amin’izy ireo dia zanatany avokoa. Ny 300 isa amin’ny sahona eto Madagasikara ihany anefa ankehitriny no fantatra ara-tsiansa antsipirihany ny momba azy. Tandindomin-doza tanteraka ary ahiana ho lany tamingana afaka fotoana fohy ny 17 amin’izy ireo raha tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Goavana, noho izany, ny asa mbola miandry ny mpikaroka sy ny manampahaizana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT