Nisy ny asa fakana an-keriny teto Antananarivo tamin’ny herinandro lasa izay nahatrarana ireo olon-dratsy.
Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitana karatra mpanao gazety. Natao ny fanadihadiana ary fantatra fa tsy mpanao gazety ilay olona sady hosoka ny karatra. Nanambara ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard fa entina hitsoahana amin’ny mpitandro ny filaminana no nampiasan’ny olon-dratsy ny karatra; karatra izay tombanana fa sandoka. Nilaza izy fa tokony ho samy mailo sy mitandrina ny mpanao gazety rehetra manomboka izao fa tsy kely lalana ny ratsy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.