Actualités

Karate – Tompondakan’Analaman­ga Hiatrika fifaninanam-pirenena­ any Vavatenina ireo tompondaka


  • Talata 29 Septambra 2015

Ny fiadiana ny tompondakan’Analaman­ga amin’ny karate hatao ny 4 oktobra izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no hifantenana ireo solontenan’ity ligy ity hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Ny sokajy “cadet”, “junior” ary “senior” no voakasiky ny fifaninanana.

 “Open” ny fifaninanana ady (kumite) ho an’ny “cadet” sy “junior” ary hisy koa ny fifaninanana “kata” an’olon-tokana ho an’ireo sokajy zandriny ireo. Ireo sokajin-danja samihafa mahazatra kosa no hifaninanana ho an’ny “senior” ary ankoatra izay ny fifaninanana “kata” an’olon-tokana sy isan-tarika. Seksiona enina dia Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra, Ankazobe, Anjozorobe, Avaradrano ary Ambohidratrimo no hanana solontena hiatrika ity fiadiana ny tompondakan’Analaman­ga ity. Nomarihin’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Razakarisoa Johnny Orlando fa “izay tompondaka eo isaky ny sokajy miampy ny isan-tarika no hiatrika ny fiadiana ny tompondaka Madagasikara”. Ny 23-25 oktobra izao moa no hanaovana ny fifaninanana nasionaly any Vavatenina, izay hifanindrandalana amin’ny Festival Jerijery.


Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT