Actualités

Karama tsy voaloa Ny 31 oktobra no fe-potoana farany omen’ny AMCT ny fanjakana


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Ny mpikambana rehetra tao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita izay mivondrona ankehitriny ao amin’ny fikambanana AMCT (Anciens Membres deu Congrčs de la transition) nijoro ofisialy tamin’ny 18 febroary 2014 ary nivory maimaika teny amin’ny 67 ha omaly, dia

nanambara ny fankasitrahana ombam-pisaorana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena  tamin’ny nandraisany fanapahan-kevitra hentitra izay nanolorany tao amin’ny tetibolam- panitsiana 2014 ny vary mangatsiaka mikasika ny karama, ny tombontsoa ary ny tamberim-tsaram-pitsaboana izay tsy voaloa teo aloha. Dia efa maneho fisaorana ihany koa an’ireo namana solombavambahoaka rehetra izay nandany izany soa aman-tsara. Koa satria ho tapitra ihany ity ny taona 2014 ary ho tapitra manaraka izany koa ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ity 2014 ity, koa miantso am-panajana ireo mpitondra fanjakana mahefa izahay AMCT ny amin’ny handoavana farafahatarany ny 31 okotobra izao ireo vary mangatsiaka   tsy voaloa tany aloha. Nanamarika ireto MCT ireto fa izy ireo no anisan’ny vy nahitana sy angady nananana ny fijoroan’izao Repoblika fahat-4 izao, koa manasa ny manampahefana rehetra hijoro haingana amin’ny fampihavanam-pirenena mba isian’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra eto amin’ny firenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT