Actualités

Karama farany ambany Nanaiky ilay 200 000 Ar ny Vondron’ny mpampiasa


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Tapaka fa 200 000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. 173 ora isam-bolana ny ora iasana, tsy hitakiana hetra ny karama latsaky ny 350 000 Ariary.

 


Io no tapaka nandritra ny fivoriana niarahan’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo mpandraharaha, tompona orinasa sy indostria ary ny sendikalista niaraka ny andron’ny talata 30 aprily teo teny amin’ny lapan'Ambohitsirohitra. Tenin’i Andry Rajoelina nandritra ny adihevitra tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana nandritra ireny adihevitra nifanaovan’ireo kandida filoha tafiakatra tamin’ny fihodinana faharoa io. Andrasana ny didim-panjakana fampiharana an’io fa raha ny nambara aloha dia hihantra amin’ity volana mey ity io. Mazava ho azy fa misy tambiny io, ary tsy maintsy nila fifampiraharahana vao azo ampiharina fa tsy araka ny tenin-dRajoelina, fa vao tonga eo dia hakarina 200 000Ar ny karama farany ambany. Misy fanalefahana ara-ketra io fampiharana ny karama farany ambany io, ary isan’ny angatahan’ireo mpandraharaha sy vondron’ny mpampiasa ny fanafoanana ny sehatra tsy ara-dalàna. Hisy ny dinika goavana mbola hataon’ireo mpandraharaha sy ny mpampiasa ny volana jona. Tsy nanisy resaka firy ny mahakasika karama ambonin’ny 200 000 Ar i Andry Rajoelina, izay toa nanipy baolina tany amin’ny hoe: fifanarahana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa izany. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny vinavina, fa mety hampidangana ny fidim-piainana io satria mety hiakatra hanaraka ny karama ny vidim-piainana izay tsy voafehin’ny fanjakana velively. Ny resaka indostria sy ny famokarana rahateo, dia ny manafatra entana no tena ataontsika fa tsy manondrana, izay tsy mampitombo fa mampihena ny harin-karena. Ny famoronana
asa sy ny fampiakarana ny fanondranana no zava-dehibe, ary mila fehezina ny vidim-piainana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT