Actualités

Karama farany ambany miakatra Tsy tokony harahina fisondrotan’ny vidim-piainana


  • Zoma 03 Mey 2019

Nihatra ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 200 000 Ariary raha 155 523Ar talohan’izao fanapahan-kevitra izao.

 

 

Voakasik’io avokoa na ny mpiasam-panjakana na ny eo anivon’ny sehatra tsy miankina, araka ny nambaran’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina taorian’ny fihaonany tamin’ny vondron’ny mpandraharaha sy ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara tamin’ny talata 30 aprily lasa teo tetsy amin’ny lapan’Ambohitsorohitra. Ankoatra izay, tsy hisy intsony ny hetra alaina amin’ny karama (IRSA) ho an’ny latsaky ny 350.000 Ar. Tokony hisy arofanina apetraky ny fitondram-panjakana mba tsy hisy fisondrotam-bidim-piainana (inflation), hoy Atoa Faneva Raholdina. Matetika rehefa miakatra mantsy ny karama, hoy izy dia misy hatrany ny fisondrotan’ny entana ilaina andavanandro izay vao mainka manempotra ny Malagasy. Nanambara ihany koa ity mpamakafaka ara-toekarena sy politika ity fa ny fampiakarana ny sandam-bolan’ny Malagasy sy ny fisondrotan’ny harinkarena no vaindohan-draharaha mila ataon’ny fitondram-panjakana. Rehefa miakatra mantsy izany dia hanaraka ho azy  eny ny firoboroboan’ny fanondranana entana, ny fidiran’ny sandam-bola vahiny sy ireo singa maro hafa mahasalama ny toekarena. Izay ihany koa no mahatonga ny Banky Maneran-tany sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena manakana ny vola mivoaka (subventions) avy amin’ny fanjakana hanampiana sehatra resy tahaka ny JIRAMA ary mampirisika sy mamatsy vola ho amin’ny fampiakarana ny harinkarena faobe. Tokony hitandrina ihany koa ny fanjakana ny amin’ny fanafoanana ny hetra alaina amin’ny karama latsaky ny 350 000 Ariary, hoy Atoa Faneva Raholdina mba tsy hisy akony ratsy amin’ny harinkarena satria tena ilaina ary tsy ampy ny fampidiran-ketra. Inoana fa efa misy politika mazava amin’ny sehatra hafa hanentsenana ny banga rehetra.

Tsirinasolo

 

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT