Miteraka resabe ary mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro ny fepetra momba ny fivezivezen’ny olona ao an-tampon-tanàna noraisin’ny Kapiteny Ramilison Faneva Lucas, fantatry ny maro amin’ny anarana “Kapiteny Faneva”,
ilay manamboninahitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena nalaza tamin’ny fampandriantany tany Atsimo. Namory ireo tompon’andraikitry ny fokontany miisa 11 ao an-tampon-tanànan’i Tolagnaro izy, manery ny hananan’ny fianakaviana isanisany karine izay tombohina isaky ny misy dia alefa, hanaraha-maso ny fivezivezena. Velon-taraina ireo izay efa niharan’ny fisavana nefa tsy nanana io karine io, nanaovany azy, ka nisy nametraka fitairanana tany amin’ny Prefektiora. Raha nanontaniana ny Prefen’i Tolagnaro, Ravelonandro Tsimbazafy Abdon Marie, omaly, dia nanamarina ny fisian’io fepetra io saingy nanipika mazava fa “fanapahan-kevitra samirery noraisin’ny Kapiteny Faneva io”, taorian’ny tranga fandrobana mpizahatany vahiny nentin’ny sambo lehibe mpitondra mpizahatany nandalo tao Tolagnaro, herinandro mahery lasa izay. Milaza ho “tsy nahafantatra ny fisian’io fepetra io” ny tao amin’ny Prefektiora raha tsy efa naharay fitarainan’ny mponina. Ny teo anivon’ny Fiadidiana ny tanànan’i Tolagnaro ihany koa anefa “tsy nandray fepetra mikasika izany”. Nilaza anefa ny Prefe fa raha karine pasipaoro dia fanao tokoa izany, hanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona farafaharatsiny raha mifindra Kaominina. Heverinay fa tafahoatra raha samy ato anaty fokontany eto an-drenivohitry ny Faritra, hoy izy. Omaly ihany moa ny Prefektiora dia nilaza fa “hamory ny OMC” na ireo tompon’andraikitra voakasiky ny fitandroana filaminana “handaminana ny raharaha”, mba tsy hisian’ny savorovoro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.