Actualités

KAPILA HOSOKA


  • Zoma 26 Febroary 2016

Tovolahy roa no saron’ny polisy avy amin’ny kaomisaria Boriborintany faha-7, 67ha, niaraka tamina kapila hosoka.


Niainga tamina fahitana tovolahy nibaby sakaosy feno kapila vaovao an-jatony ny fanadihadiana sy fikarohana. Sarona teny Itaosy ny toerana sy ny fitaovana fandikana an-kapila ireo hira malagasy sy vahiny ary sarimihetsika. Mahavita 300 isan’andro izy ireo. Nisy kapila vaovao 15.000 tao anaty baoritra 12, miampy kapila 500 miaraka amin’ny “jaquette” 2 000 isa an’ny Team Safelika saison 2015 ihany koa.

AMBASADY
Sahirana ny mpiasan'ny Ambasady malagasy any Etazonia noho ny karama kely. Ny jiro sy rano zara fa mandeha ao am-piasana. Ny “chauffage” tsy mandeha intsony. Ireo kojakoja fampiasa ao am-piasana zara fa misy. Hatramin'ny taratasy fitondra any amin’ny trano fisainana avy aza, voalaza fa misy fotoana dia samy mitondra ny azy avy any an-trano.

ASAM-PANJAKANA
Manoloana ny feo miely fa mandrahona hanao fametraham-pialana faobe ireo Tale ao amin'ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy dia nilaza i Avimana, Talen’ny kabinetran’ny Minisitra Maharante Jean de Dieu fa “fahan-dalitra izany fa toy ny hatrizay hatrany ny fiaraha-misalahy ao amin’ny Minisitera”.

SAVA
Manao fitsidihana arak’asa any SAVA ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Alain Rasolofondraibe. Tao Sambava izy omaly nihaona tamin’ireo sehatrasan’ny banky, ireo mpandraharaha sy ny avy amin’ny Faritra sy ny Prefektora ary ny Mpitandro Filaminana nanazava ireo andraikitra izay napetraky ny Fanjakana aminy.

FITSARANA
Mpanao gazety lahy iray miasa amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra sady manoratra amina gazety an-tsoratra mpivoaka isan’andro, no hiakatra fitsarana anio noho ny lahatsoratra nosoratany mikasika ilay fakana an-keriny zaza roa nitranga tany Toamasina ny 23 novambra 2015.

TANJOMBATO
Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-7. Hisokatra manomboka rahampitso sabotsy 27 febroary io lalam-pirenena io eo amin’ny PK8+100, Ambaniatsimo Tanjombato rehefa avy nasiam-panamboarana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT