Actualités

Kaoperativa Mirindra 163-194 Miha matihanina


  • Zoma 23 Desambra 2016

Miroso eo amin’ny sehatry ny maha matihanina hatrany ny kaoperativa Mirindra amin’ny asa fitateram-bahoaka sahaniny eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

 Fotodrafitrasa maro sosona  toy ny fiara 4x4  iray entina hanaraha-maso  ireo  mpitatitra ao amin’ny zotra 163 sy 194,  ny toerana iaingan’ny GPS ao Alasora  hahafahana miaro ny mpandeha  mampiasa ireo taksibe ireo ka hivantanan’ny antso an-tariby avy hatrany amin’ny tompon’andraikitra,   ny efitrano fanofanana ny mpampily ny taksibe sy ny mpanampy  azy ary ireo karazana fanaka vaovao maro samihafa hampiasaina amin’izany no indray notokanana tamim-pomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny biraony etsy Alasora.  Tafiditra  indrindra amin’ny fanokafana ny faha-20 taona nijoroan’ny kaoperativa teto amintsika avokoa ireny. Tanjon’ny koperativa lavitr’ezaka, hoy ny filohany Andriamatoa Andrianarisoa Jean Lanto ny hampiditra bus lehibebe kokoa mihoatra ireo 319 efa misy ho tombontsoan’ny mpanjifa.  Hetahetan’izy ireo ny hahafahana mandoa ny fanampiana ny mpitatitra amin’ny alalan’ny karatra. Mpamily tsara fitondran-tena am-polony no notolorana mari-pankasitrahana.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT