Miroborobo fatratra ankehitriny ny fanentanana ny olona mba hampiasa ireny tolotra amin’ny fametrahana sy fakana vola amin’ny finday ireny eto Madagasikara sy aty Afrika.
Ireo orinasa telo izay mikirakira ny tontolon’ny serasera eto Madagasikara dia samy manana io tolotra io avokoa. Any Mahajanga anefa dia lasa nihemotra ny olona amin’ny fampiasana azy noho ny firoborobon’ny fisolokiana ataon’ny mpangalatra amin’ny alalan’izy io. Ataon’ireo mpangalatra izay ahazoana ny laharan’ny kaontin’ilay olona amin’ny alalan’ny fitantarany atsanga tsy aman’orana toy ny hoe nahazo fanomezana ianao na nahazo loka tamin’ny fifaninanana izay tsy nandraisany anjara akory. Roboka ny olona raha vao manome mari-bola ireo mpisoloky. Ataon’izy ireo amin’izay izay tiany hatao rehefa azony ny kaontin’ireo olona
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.