Actualités

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

 

 

 Nananganana kaomisionina manokana mihitsy manara-maso sy manao tatitra amin’ny mpitondra momba ny vola miditra na mivoaka na ny “mouvement bancaire”, raha ny vaovao mivoaka. Midika io fa tsy misy intsony ny “secret bancaire” na ny tsiambaratelon’ny banky fa miboridana tanteraka amin’ny mpitondra ny zava-drehetra. Misy zavatra mampiahiahy matoa arahi-maso ny toe-bolan’ny olona iray, toy ny resaka famotsiam-bola azo tamina afera maloto. Tsy tokony hisy ny tahaka izany, raha tena voahaja ny lalàna, ary mandeha amin’ny mangarahara ny rehetra. Teren’ny lalàna hanao fanambaram-pananana ny mpitondra ambony, saingy tsy misy mangarahara sy tsy fantatry ny vahoaka madinika. Resahina foana fa ny ohatra dia miainga avy any ambony. Ny hafa anefa toa fehezina sy atao andrimaso tanteraka, fa ny mpitondra ambony toa afaka manao izay danin’ny kibony ihany. Misy fanazavana ve, ohatra, momba ny harenan’Atoa Andry Rajoelina nitombo be nanomboka ny 2009 ?  Mahana ve ny fanjakana amin’ny resaka famatsiana ara-bola ny fanakorontanana na fanonganam-panjakana toy ny efa natao teto ka atao andrimaso ny rehetra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT