Adihevitra tsy mety tapitra eto amin’ny firenena ilay fitsaram-bahoaka tany Mananjary izay nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady ny 30 oktobra lasa teo.
Nitondra ny heviny ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena omaly. Nambarany fa tsy misy lalàna manome alalana ny fitsaram-bahoaka n’inona n’inona heloka sy fahadisoana. Isika rahateo anisan’ny firenena nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty. Tsy ahafahana mamantatra ny tena marina ny fandraisana fanapahan-kevitra hanao fitsaram-bahoaka ary mety ho olona tsy manan-tsiny no matimaty foana vokatry ny tondro molotra, hoy izy. Ireny olona tratra ireny no fanalahidy hahafahana mamantatra ny mpiray tendro aminy sy hikarohana ny tena marina. Midika izany fa ny fahafatesany dia sakana amin’ny fivoahan’ny marina ka lasa fiarovana ireo olon-dratsy hafa. Vao afak’omaly, ohatra, dia dahalo 11 indray no niara-maty nodoran’ny olona tany Anosiarivo Manapa any Betafo, ka dia izy ireo no maty fa tapitra hatreo ihany koa ny loharanom-baovao hamantarana ireo namany an’arivony. Toy izany ny tany Nosy Be, Moramanga, Maroantsetra … izay nangina tanteraka. Adidin’ny mpitandro ny filaminana ny miaro ny ain’ireny olona tratra nanao ny tsy nety ireny saingy inona no nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fotoana nisian’ny fandikan-dalàna ? Tsy mbola mikatona eo iny raharaha vono olona mahatsiravina tany Mananjary iny fa tokony hisy ny fampiharana ny lalàna velona. Rehefa betsaka ny fahefan’ny vahoaka dia mihena ny fahefan’ny manampahefana ka lasa manapa-kevitra fahatany ny olona. Misy ihany ny lalàna apetraka eo amin’ny fiarahamonina toy ny “dina” saingy mila fankatoavana ara-panjakana sy araka ny lalàna izany vao azo hampiharina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.