Andro sisa isaina dia raikitra ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny Frankôfônia. Tsy ho raharahan’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay ihany anefa io fa eo ihany koa ireo vondrona iraisam-pirenena sy mpiara-miombona antoka samihafa.
Araka ny tsiliantsofina dia anisan’ny ho avy hiatrika an’io fihaonambe eto Madagasikara io ny Kaomisera eoropeanina misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fampandrosoana, dia ilay teratany kroaty Neven Mimica. Hatreto aloha tsy mbola misy fanamafisana ny tena ho fahatongavany sy ny mety fandaharam-potoanany mandritra ny fotoana ijanonany eto. Na izany aza, maro ireo sahanasa mikasika ny fampandrosoana iarahan’i Madagasikara miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina, ka inoana fa hitsidika ny sasany amin’ireny i Neven Mimica amin’izao diany eto Madagasikara izao, ankoatra izay mety ho fiaraha-miasa vaovao mety hifanaovan’ny Vondrona Eoropeanina amin’i Madagasikara, na koa eo amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Frankôfônia izay tompon-draharaha amin’io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.