Actualités

Kaominin’Antananarivo renivohitra Hiara-kiasa amin’ny kaominina manodidina


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Nisy omaly ny fihaonan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, tamin'ireo Ben'ny tanànan'ny Kaominina maromaro manodidina an'Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

Tsy nanavahana firehana politika izany, hoy izy, fa nasaina avokoa izay Ben'ny tanàna lanim-bahoaka. Ny tanjona dia ny fanatsarana sy ny fandrindràna ny fampandrosoana eto Antananarivo sy ny manodidina. Lohahevitra maro no noresahina toy ny fandriampahalemana, ny fifamoivoizana, ny fitantanana ny fako, ny fifindra-monina sy maro samihafa. Niara-nanaiky fa vonona ny hifanampy sy hifanome tanana mba hampandroso ny tanàna miaraka izahay, hoy ny tenany, ka kaomisionina teknika vitsivitsy no natsangana mba hitondra vahaolana haingana ho an'ny mponina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT