elon-taraina ankehitriny ny mponina ao anatin’ny Kaominina Tanambao-Besakay, Distrikan’Ambatondrazaka fa mirongatra ny halatraomby any an-toerana.
V Saika isan-kerinandro dia misy hatrany ny vaky vala. Alatsinainy lasa teo Omby matavy roa no lasa ny dahalo. Tonga hatrany Betatao lalana mihazo an’Anjozorobe ny dian’omby. Mbola manohy ny fikarohana hatreto ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona. Hetahetan’ny mponina ny hametrahana mpitandro ny filaminana hiandraikitra ny manokana ny Kaominina Tanambao Besakay fa tsy hiantehatra lava ny any amin’ny Kaominina Soalazaina. Marihina fa tanàna tena sarodalana ny Kaominina Tanambao Besakay ka tsy mahagaga raha manararaotra izany ny jiolahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.