Actualités

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena


  • Zoma 14 Jona 2019

Nitondra am-bavaka ny firenena ny kaominina Talatamaty, ny alarobia hariva teo, tao amin’ny Ekar Faralaza.

 

 

 

 Fotoam-pivavahana niraisam-pinoana no notanterahina, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona. Tanjon’ny kaominina ny  hananan’ny firenena fitoniana sy filaminana amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao, ankoatra ireo lalana mbola hodiaviny amin’ireo karazana fifidianana sy fametrahana olom-boatendry. Anisan’ny nosafidian’ny fiadidian’ny kaominina ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Romana 13: 1 manao hoe : “ Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra”. Tompon’andraikitra sy olon-tsotra maro teo anivon’ny kaominina no tonga nanotrona tao. Hitohy amina hetsika ara-tsosialy maro ho an’ity kaominina ity ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT