Actualités

Kaominina Talatamaty Hahazo tobim-pitsaboana manara-penitra ho an’ny reny sy ny zaza


  • Zoma 29 Janoary 2016

Hahazo tobim-pitsaboana manara-penitra natokana ho an’ny reny sy ny zaza ny ao amin’ny kaominina Talatamaty.

 

Ao Mahaibahoaka, faritra misy ny sekoly ambaratonga fototra ao an-toerana no hanorenana izany izay tanin’ny kaominina madiodio.  Vokatry ny  fiaraha-miasan’ny kaominina misy ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina  ary  ny fikambanana “Enfance Espoir” atsy Frantsa no angady nananana sy vy nahitana izany. Notanterahina omaly ny fiadiana fototra, izay misy efitra telo lehibe  natokana  handraisana ny marary ny iray natao  hitsaboana kosa ny iray  raha efitrano fiandrasana ny iray ambiny. Ity fikambanana ity avokoa no hiantoka ny lany rehetra amin’izany, hatrany amin’ny fampitaovana rehetra, raha horaisin’ny kaominina an-tanana kosa ny fitadiavana ireo mpitsabo handray an-tanana ireo marary, toy ny pédiatre, mpitsabo voatokana  ho an’ny zazakely... Izao no natao moa, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Razafindratsimba Rado, dia ho fanampiana ireo ankizy betsaka manana  olana ara-pahasalamana ao anatin’ny kaominina iadidiany. Ekena hoy izy fa efa misy ny  ny CSB II saingy tsy ampy izany. Eo koa ny tsy fananan’ny ray aman-dreny  fahafahana hanatona ireny tobim-pitsaboana voatokana ireny. Na izany aza dia tsy mialon-jafy ity tobim-pitsaboana ity, fa azon’ny rehetra  handehanana.  Haharitra efa-bolana ny asa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT