Actualités

Kaominina manerana ny nosy Nanjavona aiza ny "subvention" 7 tapitrisa fanome azy ireo?


  • Talata 30 Desambra 2014

Hifarana ihany ity ny taona 2014 tsy voarain'ireo Kaominina ambanivohitra maro manerana ny nosy ny anjara vola fanampiana andiany faharoa fanomen'ny fanjakana isan-taona mitentina 7 tapitrisa Ariary

Efa nampahatsiahivin'ireo Ben'ny tanàna nandritra ny Kongresin'ny lalana sy ny fitaterana andiany faha-5 natao teny Ivato tamin'ny volana novambra lasa teo ny amin'io, ka nilazan'izy ireo fa mbola ananan'ny Kaominina trosa ny fanjakana. Ifanilihan'ny ministera sy ny Tahirimbolam-panjakana ny resaka, ny ministera milaza fa efa nalefa any amin'ny Tahirimbolam-panjakana, ity farany indray milaza fa tsy mbola tonga any amin'izy ireo izany. Vokany, ratsy fiafara ny taona 2014 ho an'ny ankamaroan'ny Kaominina satria dka tsy misy tokontaniny ny karaman'ny mpiandraikitra ny soram-piankohonana, ny karaman'ny "dispensateur" sy ny mpiambina amin'ireny tobim-pahasalamana ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT