Amin’izao ankatoky ny fifidianana senatera izao dia tsikaritra fa miezaka manao pi-maso ireo kandida tsy miankina ny fitondram-panjakana mba hahazoan’izy ireo olona betsaka.
Samy manana ny heviny ny Ben’ny tanàna tsy miankina manoloana izany fa ho an- dRakotoarisoa Johnny kosa Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Mahereza, distrikan’Ambohidratrimo dia tsy azo vidiam-bola ny Ben’ny tanàna. Na izany aza dia nambarany fa ny kaominina ambanivohitra Mahereza dia miara-miasa amin’ny rehetra saingy kosa tsy mivadika amin’ny vahoaka izay nametraka fitokisana taminy. Tanjona iray no iarahan’ny mpitantana ny kaominina manerana ny Nosy, hoy izy dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany, ka tsy tokony hisy sakana amin’ny fiaraha-miasa azo hatao raha raha ilaina. Mikasika ilay « tablette » izay nozarain’ny fitondram-panjakana ho azy ireo dia mahitsy ny Ben’ny tanàna Rakotoarisoa Johnny fa tsy laharam-pahamehana io fitaovana kely io na dia ilaina amin’ny fivoaran’ny toetrandro aza. Betsaka mantsy, hoy izy ireo Ben’ny tanàna tsy mbola mahay mampiasa azy io ankoatra ireo monina sy mivelona any amin’ny faritra tsy misy herinaratra. Nomarihin-dRakotoarisoa Johnny manokana moa fa ny asa fanamboaran-dalana io no tena asa maika ho an’ny kaominina hiadidiany hahafahan’ny mponina mifamezivezy sy mamoaka ny vokatra ao aminy.
Pati
Legende : Rakotoarisoa Johnny, ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Mahereza
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.