Actualités

Kaominina Ivato Tsy manana olana amin’ny fandraisana ilay tetikasan’ny filoha


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Tsy manana olana amin’ny fandraisana ireo tetikasan’ny filoham-pirenena ny kaominina Ivato, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa omaly.

 

 

 

 

 Faniriany ny hananganana ilay building sy trano mora ao amin’ny faritra iadidiany amin’ny vavahadin’Antananarivo an’Ivato. Hiteraka fampandrosoana goavana ho an’ny tanàna mantsy izany, hoy izy sady hanome asa marobe ny mponin’Ivato ihany koa. Ny fampandrosoana ny tanàna izao no tena imasoana. Na iza na iza mpitondra tonga eo dia tsy maintsy hajaina sy hiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa. Nomarihiny manokana fa tsy misy idiran’ny politika ny asa fampandrosoana. Mikasika ilay tsena vaovao vao natsangana ao amin’ity kaominina ity dia fantatra fa ho vita tsy ho ela izany. Amin’ny faramparan’ny volana any ho any no mety hotokanana ny fotodrafitrasa raha tsy misy ny sampona ka hiroso amin’ny fizarana izany avy hatrany ny kaominina.

 

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT