Actualités

Kaominina Imerintsiatosika Miroso ny asa fampandrosoana na dia tsy misy manampy aza


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Miroso ny asa fampandrosoana ny tanàna ho an’ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny ady fototr’ilay tohatoha-bato lehibe mampifandray ireo fokontany miisa 14 ao amin’ny faritra Atsimo, notarihin’ny Ben’ny tanàna Andriambolanarivo Herisoa. Araka ny fantatra mijaly ny mponina ao amin’ireo fokontany ireo rehefa fahavaratra ny andro noho ny haratsian-dalana. Ity tohatoha-bato lehibe ity no hita fa vahaolana hahafahan’ireo tantsaha mamokatra mamoaka vokatra sy mifamezivezy. Ireo vatan-dehilahy feno taona ao an-tanana avokoa no nanolo-tena hanao ny asa amin’ny alalan’ny asa tana-maro. Noraisin’ireo mpandraharaha sy malala-tanana ao amin’ny kaominina kosa ny fiantohana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina toy ny vatokely, ny simenitra. Efa mandeha ihany koa ny asa fanamboarana ny trano vaovaon’ny kaominina. Efa vita ny hady fototra saingy tsy mbola nisy hatreto ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. Hatsangana tsy ho ela ihany koa ny CEG ao an-toerana entina hanalana fahasahiranana ny mpianatra ka ny Master Immobilier no efa tonga nanolotra simenitra 1 taonina sy vola hividianana biriky miisa 5.000 isa ny herinandro teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT